French flagpolish flagspanish flag

Avy amin'ny angano mankany amin'ny zava-misy

Written by Louis Even on Wednesday, 01 January 1936. Posted in Lahatsoratra

Rafitra vola sy trosa

Louis EvenLouis Even

Ilay rafitra vola/trosa nentin'i Martin tao amin'ny "Ile des Naufragés", no nahatonga an'ilay tanàna kely ho bokan'ny trosa ka arakaraky ny hiasany no mampi-tombo ny trosany sady mampanan-karena ny nosy.

Toy izany ny zava-mitranga any amin'ireo firenena mandroso amin'izao fotoana izao!

I Kanada ohatra dia anisan'ny firenena manan-karena indrindra, amin'ny harena tena izy, raha ampitahaina ihany koa amin'ny 50 taona lasa, sy ny 100 taona lasa ary tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpifindra monina. Ary koa, ampitahao ny trosan'io firenena io amin'izao fotoana izao sy izay tena noraisiny tamin'ny 50 taona lasa, ny 100 taona lasa, talohan'ny taonjato telo nifanesy lasa!

Raiso ohatra indray ny sekoly, ny fitarihan-drano, ny tetezana, ny lalana sy ny fanamboarana nataon'ny fanjakana. Iza no namboatra an'ireny? Mpiasa teo an-toerana daholo. Iza no niantoka ny fitaovana? Ny orinasa teo amin'ny firenena. Ka nahoana ry zareo no afaka nanao an'reny asa vaventy ireny? Satria nisy ny mpiasa sasany namokatra ny sakafo, ny fitafiana, ny kiraro, sy ny asa hafa rehetra izay mety ho nilain'ny mpanamboatra fitaovana nentina nampiasaina tamin'ireny asa vaventy ireny.

Noho izany, ny mponina daholo, amin'ny alalan'ny andraikitra sahanin'ny tsirairay avy no mamokatra eo amin'ny firenena. Raha nisy zavatra nafarany avy ivelany dia, satria nisy zavatra nomeny ny any ivelany ho takalon'ireo.

Etsy andanin'izany, inona no mitranga? Eran'ny tany sy ny fanjakana, dia akana vola amin'ny alalan'ny hetra ny teratany hanamboarana sekoly, tobim-pahasalamana, tetezana, lalana, sy izay asa vaventy ataon'ny fanjakana rehetra. Asaina mandoa ny asa rehetra ataony izany ny mponina!

Mandoa mihoatra ny tokony ho izy

Ary tsy mbola mijanona hatreo fa mbola mandoa mihoatra ny tokony ho vidin'ilay vokatra vokariny indray koa ny mponina. Ny vokatra izay mampanan-karena azy, manjary hetra vesaran'ny zanabola ho azy. Rehefa mandroso eny ny taona, dia mety hitovy amin'ny renivola na mihoatra mihitsy aza ny zanabola ateraky ny trosa vokatry ny firafitry ny vola azo avy amin'ny alalan'ny trosa. Misy fotoana aza mandoa avo roa heny na avo telo heny ny vidin'ny entana vokariny ny mponina.

Ankoatran'ny trosam-panjakana, dia misy koa ny trosan'ny orinasa mpamokatra izay vesaran'ny zanabola ihany koa. Manery ny orinasa mpamokatra sy ny mpandraharaha isan-karazany hampiakatra ny vidin'entany ambonin'ny masonkarena izany, mba ahafahany mandoa ny renivola nindraminy sy ny zanabola aterany, fa raha tsy izany dia voatery mikatona ny orinasany.

Na ny trosam-panjakana na ny trosan'ny orinasa mpamokatra dia ny vahoaka hatrany no mandoa an'izany amin'ny mpamatsy vola. Ho an'ny trosam-panjakana dia amin'ny alalan'ny hetra no andoavan'ny vahoaka azy, ary amin'ny vidin'entana kosa no andoavany ny trosan'ny orinasa mpamokatra. Misondrotra lava ny vidin'entana, ary mihafisaka ny poketra amin'ny fandoavan-ketra.

Rafitra jadona

Izany rehetra izany sy ny maro tsy voatanisa dia manambara fa ny rafitra ara-bola misy dia rafitra famatsiana mibaiko fa tsy manampy, ary mamatotra ny mponina ho eo ambany fitarihany, ohatra ny namatoran'i Martin azy dimy lahy tany amin'ilay nosy, talohan'ny nanoherany azy.

Raha ohatra ary ka tsy mety manome vola ny mpandrindra ny fandehan'ny vola, na mametraka fepetra henjana amin'ny mpitondra fanjakana sy amin'ny mpandra-haraha, inona no mitranga? Tsy misalasala mihitsy ny mpitondra fanjakana mampiato volavolan'asam-panjakana na dia hita aza fa maika, matetika mitranga ny mpan-draharaha izay manda ny fampandrosoana, na asa famokarana izay tena ilain'ny besinimaro. Izany dia miafara amin'ny tsy fananana asa, ary mba ho fitsinjovana ireo tsy an'asa dia akana hetra mavesatra izay sisa manana, na ireo izay manana fidiram-bola.

Azo eritreretina ve ny rafitra toy izany, izay tena mihatra amin'ny mponina rehetra mihitsy ny voka-dratsiny?

Sakana eo amin'ny fitsinjarana

Ankoatran'ny famesarana trosa ny famokarana izay vatsiany ara-bola, na ny fandemena izay tsy manaiky ho vatsiany, io rafitra ara-bola io koa dia fitaovana ratsy ho an'ny fanaparitahana ny vokatra.

Na dia hita aza fa feno ny toeram-pivarotana sy ny tranom-barotra isan-karazany, na dia hita aza fa misy daholo izay ilain'ny mponina rehetra ary ampy ho an'ny rehetra, ny fitsinjarana an'izany dia voafetra ihany.

Mila mandoa vola mba ahazoana an'ireny vokatra ireny. Eo anatrehan'ny fahamaroan'ny vokatra dia mila ihany koa vola betsaka any anaty poketra any. Saingy tsy izany no zava-misy. Ny rafitra misy dia manome vidiny betsaka ny entana mihoatra lavitra noho ny vola any anaty poketran'ny olona izay mila an'ireny vokatra ireny.

Ny fahefa-mividy tsy mifanaraka amin'ny famokarana: Ny famatsiana tsy mifanaraka amin'ny zava-misy. Ny zava-misy dia ny fahamaroan'ny vokatra sady mora atao. Ny famatsiana kosa dia vola voafetra, sarotra azo.

Manitsy izay nodisoina

Ny rafitra ara-bola amin'izao fotoana izao izany dia rafitra manasazy, raha tokony ho rafitra manampy. Izany akory tsy midika hoe tokony ho foanana io rafitra io, fa kosa mila fanitsiana. Izany no atao amin'ny alalan'ny fampiasana ny "Credit Social" fampisamborana ho an'ny fiarahamonina.

Ny vola: fitaovana eo am-pelata-nan'ny olona, amin'ny alalan'ny fam-pisamborana ho an'ny fiarahamonina "crédit social"

Vola mifandaja amin'ny zava-misy

Ny volan'i Martin, tao amin'ilay "Ile des naufragés" dia tsy nanan-kery mihitsy raha ohatra ka tsy nisy vokatra tao amin'ny nosy. Na dia feno volamena tokoa aza ilay barikany, dia inona no nilana azy raha ohatra tsy nisy n'inon'inona azo novidiana tao amin'ilay nosy. Na volamena na taratasy, na tetibola toy inona aza tao anatin'ny bokin'i Martin dia tsy nahavelona, raha ohatra tsy nisy ny sakafo, na ny fitafiana, na ny fitaovana hafa.

Ny vokatra anefa dia nisy tao amin'ilay nosy. Vokatra azo avy amin'ny harena voajanahary tao amin'ilay nosy ary koa vokatry ny hasasaran'ny mponina. Io harena mivaingana io, izay hany tokana afaka manome lanja ny vola, dia fana-nan'ny mponina fa tsy an'i Martin irery.

Nasain'i Martin nitrosa tamin'ny fananany ihany ry zareo. Tsapany izany rehefa nahafantatra ny "Crédit social" Fampisamborana ho an'ny fiarahamonina izy. Fantany fa ny vola rehetra, ny fampisamborana rehetra, dia miankina amin'ny famatsiana ilain'ny fiarahamonina, fa tsy amin'ny asan'ny banky. Noho izany, ny vola dia fananan'ny fiarahamonina raha vao manomboka mihodina! Noho izany, tokony homena azy, hifampizarany, ary hihodina ao anatin'ny fiarahamonina ami-n'ny alalan'ny famokarana ifanakalozany.

Ny resaka momba ny vola dia lasa resaka kaonty an-tsoratra (comptabilité) ny ho an-dry zareo.

Ny zavatra voalohany ilain'ny kaonty an-tsoratra (comptabilité), dia ny faha-marinana, mifanaraka tsara amin'ny zava-misy iankinany. Ny vola dia tokony hifa-naraka amin'ny famokarana sy amin'ny fihenan'ny harin-karena. Manaraka ny fio-vaovan'ny harena: raha mitobaka ny voka-tra dia tokony hihodina haingana ihany koa ny vola, raha mora ny vokatra, dia tokony ho mora hita koa ny vola, maimaim-poana ny vokatra, maimaim-poana ny vola…

Vola ho an'ny famokarana

Ny vola dia tokony ho fitaovana eo am-pelatanan'ny mpamokatra, amin'ny fatrany ilany azy mba ahafahany manetsika ny fitaovam-pamokarana rehetra.

Ary azo atao mihitsy izany satria izany tokoa ny zava-nitranga nandritra ny ady lehibe tamin'ny 1939. Ny vola izay tsy nisy nandritra ny folo taona, dia nanjary nisy tampoka nandritra ny enina taona nisian'ny ady. Ary hita fa tsy nisy olana mihitsy tamin'ny famatsiana ny famokarana rehetra taty aorianan'io.

Ny vola izany dia mety ho fitaovam-panjakana sady fitaovan'olon-tsotra, ary izany tokoa no tokony ho izy, toy ny tamin'izy natao fitaovana namatsiana ny ady. Izay rehetra azo atao mivaingana mba ho famenoana ny filàna ara-dalàn'ny mponina dia tokony ho azo atao daholo amin'ny lafiny famatsiana ara-bola.

Amin'izay fotoana izay dia ho foana ny nofy ratsin'ny mpitondra fanjakana. Ho foana ny tsy fananana asa sy ny fihafiana isan-karazany, satria dia hisy mandrakariva ny zavatra azo atao hamenoana ny filan'ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, ary indrindra ny mponina.

Samy mpiombona antoka, samy mandray anjara tombotsoa "dividende" daholo

Ny "crédit social", Fampisamborana ho an'ny fiarahamonina dia manomana fiza-rana ny anjara tombotsoa ara-potoana ho an'ny rehetra. Azo lazaina hoe vola omena isam-bolana ho an'ny olona tsirairay, tsy miankina amin'ny asany, tsy misy hafa amin'ny anjara tombotsoa zaraina amin'ny mpiombona antoka amin'ny orinasa lehibe iray na dia tsy mandray anjara amin'ny asa aza izy.

Iaraha-mahalala fa ny mpampiasa vola amin'ireny orinasa lehibe ireny dia manan-jo handray karama vokatry ny volany miasa ao, karama izay antsoina hoe Dividende (anjara tombotsoa). Ny sasany no mampiasa ny heriny ao anatin'io orinasa io dia ireto mpampiasa vola ireto no mandray tombony amin'ny karama. Ny mpiombona antoka dia mandray karama noho ny fisian'ny volany miasa ao amin'ny orinasa. Raha ohatra ka miasa mivantana ao izy dia karama roa samy hafa izany no raisiny: karama amin'ny maha-mpiasa azy ao ary koa tombony noho ny volany miasa ao.

Ny "crédit social" Fampisamborana ho an'ny fiarahamonina ihany koa dia mandray ny mpikambana rehetra ao aminy ho toy ny mpiara-miombona antoka. Manana anjara mivaingana iombonana ao ny rehetra izay manampy bebe kokoa amin'ny famokarana tena izy noho ny petrabola na koa noho ny asa isam-batan'olona ataon'ny mpiasa.

Inona io anjara iombonana io?

Voalohany, ireo harena voajanahary misy eo amin'ny firenena, izay tsy novoka-rin'olombelona, fa nomen'Andriamanitra maimaim-poana ho an'izay rehetra mipe-traka eo amin'ilay tany.

Faharoa dia ao koa ny fitambaran'ny fahalalana, ny zava-baovao sy ny vokatry ny fikarohana, ny fanatsarana ny teknikam-pamokarana, sy ireo karazam-pandrosoana azo, nitambatambatra sy niangona, ary miampita isaky ny taranaka mifandimby. Io dia harena itambarana, nolovaina tamin'ny razana taloha, izay ampiasain'ny taranaka amin'izao fotoana izao mba hampitainy koa amin'ny taranaka manaraka. Tsy misy tompony ireo, fa fananana iombonana.

Ary io no tena hery famokarana lehibe indrindra amin'izao fotoana izao. Andramo esorina fotsiny ny asan'ny milina mandeha amin'ny entona, ny herinaratra, ny solitany, izay voka-pikarohan'ny taonjato telo lasa, dia lazao hoe firy sisa ny fitambaran'ny famokarana, eny na dia ampitomboina betsaka aza ny asa sy ny ora fiasana ho an'ny olona rehetra afaka miasa eran-tany.

Tsy isalasalana fa mila olona hampiasa an'ireo fitaovana ireo mba ahazoana vokatra tsara, ary mila omena valisoa mifanaraka amin'izany izy ireo amin'ny alalan'ny karama. Fa ireto fananana iombonana ireto ihany koa dia tokony handraisan'ny tompony tombotsoa, izay tsy iza fa ny teratany, izay miara-mandova amin'ny taranaka rehetra mifandimby.

Koa satria io fitaovana iombonana io no tena lehibe indrindra amin'ireo hery famokarana (facteur de production), noho izany, ny tombony zaraina izany dia tokony farafahakeliny afaka miantoka ny zavatra tsy maintsy ilain'ny mponina amin'ny fiainana andavanandro. Rehefa mandroso ny fampiasana ny fitaovana hary fomba isan-karazany ao anatin'ny sehatra famo-karana, izay mampihena ny asan'ny olombelona, dia mihabetsaka ihany koa ny tombony zaraina.

Toy izany no tokony hitondrana ny fanaparitahana ny haren'ny firenena amin'izao fotoana izao. Amin'izay fotoana izay dia afaka manantena fidiram-bola fototra amin'ny alalan'io tombotsoa io ny tsirairay, ka tsy hisy intsony olona na fianakaviana miaina ao anatin'ny haizin'ny fahantrana, na koa izay mba manamanana angalana hetra midangana mba hamonjena an'ireo izay tsy mbola afaka miasa na tsy afaka miasa intsony.

Ankoatran'izay dia ho voahaja tsara ihany koa ny fampiharana ny zon'olombelona amin'ny fampiasana ny fananany ao anatin'ny seha-pamokarana hary fomba. Zo izay ananan'ny olona tsirairay avy hatrany raha vao manomboka miaina eto ambonin'ny tany izy. Ary koa zo fototra, tsy afa-misaraka amin'ny maha-olombelona izay mbola nampahatsiahivin'i Pie XII ao anatin'ny tantarany nalefa tamin'ny fampielezam-peo ny voalohan'ny volana Jona 1941:

"Ny zava-boahary nataon'Andriama-nitra dia nataony ho an'ny olona rehetra, ary azon'ny olona rehetra tsy an-kanavaka ampiasaina, araka ny ny rariny sy ny hitsiny. Ny olombelona tsirairay, manana fahafaha-mandinika, dia manan-jo fototra hampiasa ny zava-boahary rehetra eto ambonin'ny tany…Izany zo izany dia tsy voafafan'ny fomba samihafa, eny na dia ny fampiharana ny lalàna sasany mikasika ny harena voajanahary aza."

Anjara tombotsoa zaraina ho an'ny rehetra, izany no tena vahaolana ekonomika sy sosialy mendrika amin'izao fotoana izao, izay tsy ny famokarana intsony no olana fa ny fitsinjarana ny vokatra.

Efa betsaka ireo olona, eran'izao tontolo izao, izay nahatsapa fa ny vahaolana atolotry ny "crédit social na Fam-pisamborana ho an'ny fiarahamonina " araka ny fahitan'i Douglas azy, no vaha-olana tsara indrindra afaka miaraka amin'ny rafitra ekonomika miaina ao anatin'ny faha-fenoana (abondance), ary afaka mana-paritaka ny vokatra eny am-pelatanan'ny tsirairay. Ny fampiharana no dingana ma-naraka mba ahafahana miaina tanteraka ny fandrosoana misy amin'izao fotoana izao.

Traduction: Dina A. RAZAFIMAHATRATRA


 

Ny vahoaka no mandoa ny trosan'ny fanjakana amin'ny alalan'ny hetra aloany, izy ihany koa no mandoa ny trosan'ny orinasa mpamokatra amin'ny alalan'ny vidin'entana! Betsaka ny vokatra fa ny fahefa-mividy ahazoana mampiasa an'ireny vokatra ireny no tsy misy. Mazava ho azy fa rehefa tsy mifandanja ny fahefa-mamokatra sy ny fahefa-mividy (aseho amin'ny kodiarana eto) dia ho sasatry ny mihodinkodina eo ihany, ny eo ihany no eo, fa tsy handroso mihitsy na dia mitombo izay tsy izy aza ny vokatra. Misy kodiarana tokony hosoloina!

About the Author

Your Cart

Latest Issue

Newsletter & Magazine

Donate

Donate

Go to top
JSN Boot template designed by JoomlaShine.com